<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>13</hymn_number>
<title>Misaora ny Mpahary FFPM13</title>
<lyrics>[V1]
 Misaora ny Mpahary,
 Tsarovinao ny asany
 Misaora ny Mpahary
 Derao ny soa vitany !
 Ny helokao rehetra
 Dia voavelany,
 Fa tsy mba misy fetra
 Ny fitiavany :
 Ny Zanany nafoiny
 Mba ho mpamonjinao,
 Ka hianao nantsoiny
 Handray ny aim-baovao.

[V2]
 Ny toky izay nomeny,
 Sy ny fahasoavana,
 Maharitra ireny
 Tsy manam-pahataperana,
 Avelany tokoa
 Ny hatezerany,
 Ka tsy mba hahavoa
 Antsika olony,
 Fa Izy mahalala
 Ny toetsika atý,
 Ka tena Ray mandala
 Antsika zanany.

[V3]
 He, toy ny voninkazo
 Ny ain'ny olombelona,
 Tsy ela dia malazo
 Ka tena mora levona,
 Fa Jeso manan-kery
 Hamoha fasana,
 Tsy hisy izay ho very
 Ny olo-masina ;
 Isika vovotany
 No namboariny
 Hiombom-panjakana
 Sy laza aminy.

[V4]
 Misaora ny Mpahary,
 Ry tany sy ny lanitra !
 Ry zava-boahary,
 Derao Andriamanitra !
 Ry irany mahery
 Manao ny sitrany,
 Ry zanany izay very,
 Kanefa hitany,
 Misaora Azy àry,
 Fa heniky ny soa,
 Misaora ny Mpahary,
 O, ry fanahiko !</lyrics>
<author>J. Kugelmann</author>
</song>